Manana solontena i Madagasikara. Ilay klioba avy ao Vakinankaratra no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifanintsanana afrikanina « Ligue des Champions-CAF » rehefa nahazo ny amboaran’ny “Coca-Cola PFL”.
Sambany teo amin’ny tantara! Norombahin’ny Disciples FC Vakinankaratra ny amboarabe sy ny lelavola 20 tapitrisa Ariary, tamin’ny fifanintsanana “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”, omaly, teny by-pass, Elgeco Plus. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny famaranana, ny tompon-jaridaina.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, niady tanteraka ny lalao ary nifandimbiasana ny fanafihana ho an’ny andaniny sy ankilany. Ady sahala tsy misy nitoko, 0 no ho 0, ny niafaran’ny fe-potoana ara-dalàna (90 min), ka voatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana, 30 minitra.
Dimy minitra nanombohan’ity fitohizan-dalao ity, nanakobana ny harato ny Disciples FC. Tafaporitsaka tany amin’ny sisiny ankavian’ny kianja i Bolo, mpilalaon’ny Disciples FC, ka niezaka nanolotra ny namany, saingy voadonan’i Tsila, Elgeco Plus izany, namono tena izy. Nijanona tamin’io isa 1 no ho 0 io ny lalao, nandresy ny ekipa avy any Vakinankaratra.
« Faly miarahaba ny klioba mpandresy. Mety hisy ny fanovana mahakasika ireo ekipa miray vondrona anaty kaonferansy roa. Hatao ny volana septambra ho avy izao ny taom-pilalaovana manaraka”, hoy ny filohan’ny CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta.
Ankoatra izay, nilaza ny lehiben’ny CFEM fa hivoaka anio ny sazy rehetra ho an’ireo klioba nanakorotana tamin’ity taom-pilalaovana ity.
“Ligue des Champions-CAF”
Ny Disciples FC, araka izany, no misolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, « Ligue des Champions-Caf ». « Vonona tanteraka izahay! Ny fandrombahana ny amboara, aminay dia dingana fa ny ho tafita lavitra amin’ny fifanintsanana afrikanina no tanjona”, hoy ny mpanazatra ny Disciples FC, Rija Juvence. Nohamafisin’ity teknisianina ity fa mety haka mpilalao hafa izy ireo, hoenti-miatrika izany lalao afrikanina izany.
Fitia Randria