DAKA AN-JORONY: Aza manao sokatra nilatsaham-baratra ê!

Maro ny manontany tena amin’izao fotoana izao, raha misy taranja mizotra sy mandeha araka ny tokony ho izy eto Madagasikara? Fanontaniana saro-baliana izany, hatreto. Am-boalohany, mihazakazaka sy mampanantena hanao zavatra avokoa ireo mikendry ny toeran’ny filoha hitantana ny taranja isanisany. Vao tonga eo amin’ny fitantanana, ny fitantarana olana no laharam-pahamehana ho azy ireo. Hadino ilay lokaloka hampandrosoana ilay taranja. Voafitaka ny atleta, diso fanantenana ireo ligy nifidy. Aza manao toy ny sokatra nilatsaham-baratra ka henoy izany ry hazondamosiko.
Rehefa dinihina amin’ny saina tsy miangatra, toa tsy misy federasiona mandeha izany eto fa toy ny angalisa rovi-kazo ê, anaran-tsy very no sisa. Mahamenatra sady mahonena ny maheno ny antsoantson’ireo atleta rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena hivoahana. Mihanona fotsiny amin’ny hoe: Tsy misy vola ny federasiona fa tsy mitady hevitra. Ny nampanantenaina tany am-piandohana anefa ny hampakatra avo ny taranja. Na mikiakiaka mafy aza ireo mpiantsehatra, tsy misy mihaino fa manao sokatra nilatsaham-baratra ireo mpitantana ka henoy izany ry hazondamosiko.
Etsy an-kilany, ny minisitera mpiahy mangina tanteraka, tsy heno mihitsy. Toa manao antso anaty zavona amin’ny federasiona ka manao izay tsy hifankahitana. Reraka ambony ihany ny atleta ka ny ezaky ny tenany sisa hany ataon’izy ireo. Mitady olona tsara sitrapo hanavotra azy ireo. Ny hafa kosa miandry vokatra tsara vao hiseho ka hieboebo amin’ny hasasarana sy ny hatsembohan’ny atleta.
Tsy mahamenatra ny miala rehefa tsy mahavita sy tsy mahatanteraka ny fampanantenana fa aza manao sokatra nilatsaham-baratra ka henoy izany ry hazondamosiko.

Tompondaka

Partager sur: