Fanjifana : tokony hanara-penitra ny vokatra amidy eny an-tsena

Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, manoloana ireo vokatra efa simba na koa lany daty amidy eny an-tsena.

Malalaka ny tsena ho an’ny mpanjifa amin’ireo vokatra tiany ho vidiana saingy tokony hanaraka ny fenitra sy hanaja ny fahasalamana izany. Mano­loana izay, mitohy sy mampatsiahy hatrany ny mpivarotra na koa ny mpamokatra ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) mba tsy hanafatra na koa hanjifa ireo entana efa lany daty na efa simba mba tsy hitera-doza ho an’ny fahasalamana. Ma­na­ra-maso ireo entana eny an-tsena lalandava rahateo ireo kaomiseran’ny varotra hisorohana ny mety ho fananaraotana samihafa hitranga. « Noho izany, handraisana fepetra ireo izay minia mandika lalàna », hoy ny sekretera jeneralin’ny Mic, Rasamoely Ranoelinamana Vahinisoa, ny sabotsy teo, tetsy Ambo­hidahy. Efa nahitam-bokany, hoy izy, ny hetsika saingy mila tohizana ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa.

Fenitra
“Anisan’ny fenitra mamaritra ny kalitaom-bokatra iray ny lokony, ny fofony ary ny mety ho toetrany ety ivelany. Tokony ho malina, araka izany, ny mpanjifa raha mahatsikaritra zavatra hafahafa”, hoy ny tale jeneralin’ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM), Raza­fimahafaly Séraphin. An­koatra izay, natsangana ny tranokalam-pifandraisaina (PICM) eny anivon’ny ministera hahafahana mandray ny fitarainan’ireo mpanjifa na koa fandikan-dalàna ataon’ireo mpivarotra. Marihina fa miara-misalahy ireo sampandraharaha samihafa manerana ny faritra mitily sy manara-maso ireo entana amidy eny an-tsena. Tsiahivina fa mpivarotra iray no nidoboka vonjimaika am-ponja andro vitsy lasa izay rehefa nivarotra entana lany daty.

Henintsoa Hani

Partager sur: