FANTINA sy FINTINA

Efa miomana amin’ny handraisana ireo ben’ ny Tanàna, ho voafidy amin’ny novambra, ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nivory tetsy Anosy ho fanomanana ny fitaovana sy ny torolalana ho azy ireo ny eo anivon’ny INDDL. Eo ny teti-bola fandaharanasa, ny kaontim-pitantanana, ny fanetsehana ny vola ara-ketra.

Nanao diabe tao Toamasina ny eo anivon’ny Kolektifa, ny sabotsy teo, noho ny fandresena azon’ny kandidà, Ratsiraka Roland, tao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana, tamin’ny fifidianana depiote. Maro ireo vahoaka naneho ny hafaliana ka nitety tanàna. Nitarika izany tamin’ny toerana rehetra ity depiote ity.

Nanaitra ny maro ny nahita fa niova na niverina ho Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana ny teny filamatry ny Repoblika fahefatra tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy, ny 27 jona teo. Tsiahivina fa Fitiavana, Tanindrazana ary Fandrosoana no tokony ho izy amin’izao Repoblika misy antsika izao.

Miisa 27 ireo vehivavy voafidy ho depiote amin’ireo solombavambahoaka 163 ho eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nihena izany raha mitaha amin’ny taloha, miisa 28 amin’ireo depiote 151, voafidy ny taona 2019. Nihemotra izany ny fampiharana ny miralenta na ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny andrimpanjakana.

Partager sur: