Fitaterana an-dalamby : olona 11 000 entanina amin’ny aroloza

Manohy hatrany ny fanentanana ny mponina mipetraka manamorona ny lalamby mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny ozininy ny orinasa Ambatovy. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Madarail, ho fiarovana ny fahasalamana sy ny arolozan’ny mponina manodidina ny toerana iasany, ny antony. Olona 11 000 eo ho eo no entanina amin’izany aroloza izany, amin’ity taona ity, ary efa nanomboka tamin’ny volana avrily lasa teo ny fanentanana ka ireo olona manana fahasembanana ara-batana sy ny fianakavian’ireo sembana ara-tsaina no nanombohana azy.
Hetsika manokana no natao ho an’ireo olona marefo, indrindra ireo manana fahasembanana, amin’ny alalan’ny fitsidihana isan-tokantrano. Manampy ireo fepetra sy fitaovana natao hiantohana ny hisian’ny fitaterana an-dalamby lavitra ny loza ity fanatsarana ny fihetsika tokony hananan’ny mpampiasa lalamby ity. Marihina fa nandray anjara mavitrika ihany koa tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanentanana amin’ny fiampitana lalamby, izay notanterahina tao Toamasina, ny 14 jona lasa teo, Ambatovy.

Vonjy

Partager sur: