Hampitomboin’ny Repoblikan’i Korea avo roa heny ny lanjan’ny vary ho an’ny Pam, amin’ity taona ity. Firenena 11 no tohanan’ny Korea ka ahafahan’ny olona 7 tapitrisa isa hisitraka sakafo.
Nanolotra vary 10 000 t ho an’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ny Repoblikan’i Korea. Mitentina 9,4 tapitrisa dolara ny tohana hozaraina any amin’ireo faritra ianjadian’ny fiovan’ny toetr’andro. Ahafahana manome sakafo ho an’olona 41 600, ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny vary voaray. Sady mamely ny hanoanana vokatry ny haintany sy ny rivodoza misesy any amin’ireo faritra ireo.
Vonona hanohana ny fanjakana malagasy hatrany i Korea amin’ireo tetikasa samihafa iarahan’ny roa tonta, araka ny voalazan’ny masoivohony eto amintsika, Ji Hyun Park.
“Tonga amin’ny fotoana tena ilana azy ny fanampiana satria tombanana hitombo ny isan’ny olona mila tohana sakafo vokatry ny rivodoza Gamane sy Alvaro”, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, Mamadou Mbaye, nandritra ny fandraisana ny vary tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Tsy manana antoka ara-tsakafo ny olona 1 tapitrisa mahery eto amintsika noho ny voina voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro manohintohina ny fiharian’ny mponina maro, indrindra ny fambolena. Ho sarotra ny fiatrehana ny maitsoahitra amin’ny taona 2024-2025 vokatr’izay.
Ny fiandohan’ny taona teo, nanome vola mitentina 200 000 dolara ho an’ny Pam ny Koreanina ho fanohanana ny mponina any Atsimo nianjadian’ny rivodoza Alvaro. Ankoatra izay, Nanampy tamin’ny hetsika ara-pahasalamana fisorohana ny fahataran’ny fitomboan’ny zaza ny Koreanina, tamin’ny alalan’ny Koica, ho an’Itampolo sy Fotadrevo (atsimon’ny Nosy). Tao anatin’ny efatra taona, 2020-2024, vola mitentina 6,5 dolara no nokirakiraina nanaovana ny asa rehetra.
Vonjy