INDRAY MIJERY

Misy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra fa ny maripana ambany indrindra dia tsy hisy fiovana fa mbola hangatsiaka hatrany. Eto Antananarivo 6°C – 22°C ny maripana raha hidina hatramin’ny 2°C ny ambany indrindra any Antsirabe. Momba ny toetry ny andro, ny tolakandro, handrahona mitsitokotoko any Am­ba­tosoa sy Analanjirofo. Hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny CHRD Mahitsy, ny hetsika didiam-poitra faobe manerana ny Nosy. Nanotrona izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy. Efa ny fiandohan’ny volana mey lasa teo no niantomboka ny hetsika manerana ny hopitalim-panjakana sy ireo tobim-pahasalamana, izay manaraka fandaminana ny fanatanterahana azy.

Mahafinaritra ary mahavelombolo hatrany, hoy ny mpiandraikitry ny fikambanana Autisme Madagascar ny fanohanana avy amin’ireo tsara sitrapo. Toy ny nataon’ny Lions club, nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy autiste tao Toliara, ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nanohana ny hetsika ara-toekarena ny fampirantiana andiany fahadimy nandraisan’ny vehivavy mpandraharaha teto amintsika sy avy any ivelany ny UNFPA ny herinandro lasa teo. Vehivavy mpandraharaha 500 no nitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony nampisehoana fa afaka mahaleo tena amin’ny fihariana samihafa izy ireo.

Partager sur: