Jono makamba : nampidi-bola hatrany amin’ny 7,455 miliara Ar

Tafakatra 7,455 miliara Ar ny vola azo tamin’ireo sambo mpanjono makamba aty amin’ ny fari-dranomasin’i Mada­gasi­kara, hatramin’ny 17 jona teo. Fantatra fa mitotaly 39 ireo sambo nahazo alalana avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hanjono izany, ho amin’ity taona ity. Marihina ihany koa fa mitotaly 6,055 miliara Ar ny haba azo tamin’ireo sambo mpanjono, izany hoe, eo anelanelan’ny 18 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 238 tapitrisa Ar isaky ny sambo ny haba haloa. Tafakatra 1,400 miliara Ar, araka izany, ny haba azo tamin’ny alalan’ny fanondranana ny vokatra izay miovaova isaky ny orinasa mandray izany, voafaritra fa ma­­nomboka amin’ny 324 000Ar ka hatramin’ny 606,068 tapitrisa Ar.

Nitombo
Niakatra 27,2% ny taham-panondranana makamba tamin’ny taon-dasa, araka ny antotanisa navoakan’ny Ban­ky foiben’i Madagasikara (BFM). Nambarany fa mahatratra 3 587,1 taonina ny vokatra naondrantsika ny taona 2023, raha toa 2 820,2 taonina izany ny taona 2022. Nampidi-bola 124,731 miliara Ar ireo makamba 3 587,1 taonina naondrana ireo, izay vidiana 34 772Ar ny kilao, hoy hatrany ny BFM. Nomarihiny fa naondrana nandritra ny telo volana faharoan’ny taona 2023 ny 1 450,8 taonina tamin’ireo makamba, vidiana 33 736,5 Ar ny kilao, raha naondrana nandritra ny telo volana fahatelo kosa ireo vokatra milanja 1 163,3 taonina izay vidiana 34 619,7 Ar isaky ny kilao.

Henintsoa H.

Partager sur: