Minisitry ny Fitsarana : nanentana ireo tsy manan-kialofana eto an-dRenivohitra

Nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana eto an-dRenivohitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny alin’ny sabotsy teo. Nitarika izany ny minisitra, Randria­manan­tenasoa Landy Mbo­latiana, amin’ny maha minisitra mpisolo toerana azy misahana ny Mponina. Nidina nijery ifotony, nanolotra sakafo mafana sy lamba firakotra ho azy ireo ny tenany, niaraka amin’ireo delegasionina notarihiny.
Nambarany fa miahy hatrany ny maha olona ny fanjakana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Teo koa anefa ny fanentanany ireo tsy manan-kialofana ireo. “Manan-jo tahaka ny olona rehetra izy ireo ka mendrika toerana sahaza azy. Na izany aza, tokony mba ho eny amin’ny trano fitoerana efa natokan’ny fitondram-panjakana ianareo no mipetraka”, hoy izy.
Maromaro ireo fianakaviana, ahitana olona maherin’ny 600 nisitraka izany fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izany. Anisan’izany ny teny amin’ny faritra Anosibe, Anosikely, Analakely, Beho­ririka ary ireo tsy manan-kialofana etsy Tsaralalàna. Nam­baran’ny minisitra tamin’izany fa mbola hitohy amin’ny faritra hafa eto Antananarivo izao fanampiana izao. “Tsy manadino ireo mpiray tanindrazana amintsika isika”, hoy hatrany ny minisitry ny Fi­tsarana.

Synèse R.

Partager sur: