Noho ny onja mahery : Zandary roa natelin’ny rano

Mbola tsy hita popoka hatramin’ny omaly hariva, ireo zandary roa lahy niampita lakana. Tra-doza avy namita iraka izy ireo. Niezaka namonjy azy roa lahy ny mpivoy lakana saingy tsy nahatohitra ny onja nisamboaravoara.

Zandary roa lahy, avy namita iraka tao amin’ny tanàna tany Ambo­dia­ramy, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, no tra-doza afakomaly. Nitodi-doha hiampita rano ho ao Anivorano izy ireo no nitranga izany. Tsy misy afa-tsy lakana ny fitaovam-pitaterana hivezivezen’ny mponina ao anatin’ny kaominina roa tonta. Raha ny fampitam-baovao voaray, tamin’ny 5 ora hariva no namonjy lakana izy roa lahy.
Somary efa maizimaizina ny andro sady nihanahery ny rano satria nisy rotsakorana. Nivadika ny lakana. Niezaka namonjy azy ireo ny mpanamory lakana saingy tsy afa-nanoatra noho ny fisamboaravoaran’ny rano. Fotoana fohy taorian’izay, nahazo antso ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Natao ny fikarohana nandritra ny sabotsy alina manontolo. Nitohy hatramin’ny omaly hariva, saingy tsy mbola hita ireo zandary.

Hafahafa ?

Maro ny zandary maty am-perinasa noho ny loza an-dranomamy. Anisan’ireny ny zandary efa-dahy miasa ao Soakibany, Atsimo Atsina­nana. Maty ny 16 marsa 2024 noho ny tso-drivotra mahery. Zandary roa lahy hafa koa natelin’ny reniranon’i Manam­bolo, any Miandrivazo, ny androtr’io loza io. Zandary mpiana-draharaha iray hafa koa natelin’ny reniranon’i Ma­hasoabe, ny sabotsy 27 avrily 2024.
Samy maty andro sabotsy avokoa izy ireo no navadiky ny lakana. Miteraka resabe eny ambanivohitra izany. Misy milaza fa nalain-javatra noho ny fanotana fady. Ny hafa milaza fa tsy fahaizana milomano izay tokony ho efa voasoroka amin’ny fotoana handraisana azy ireny hiofana. Misy ny manakiana noho ny lesoka amin’ny fampitaovana, noho ny tsy fisian’ny akanjo aroaina. Mila fandraisana andraikitra izany!

Sajo/Jean Claude

Partager sur: