Raveloson Constant : “Ahina ho any amin’ny jadona isika”

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant. Nam­barany fa miketrika sy mitady ny fomba rehetra hifehezany ny fahefany ny mpitondra amin’izao fotoana izao. “Mahery lanja ny fitiavana hiroso amin’izany nefa jadona izany”, hoy izy. Notanisainy amin’izany ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny mpiara-miombon’antoka hatramin’ny taona 2018 no ho mankaty. Teo ny tokony hanitsiana ny lalàm-pifidianana. Tahaka izany koa ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. “Fisamborana sy fanagadrana ary lakrimozenina no setrin’izany fitakiana fanovana lalàm-pifidianana izany”, hoy ihany izy. Tsy mijanona eo izany fa nirotsaka an-tsehatra nanao fampielezan-kevitra ny mpitondra ary nanambara fa tokony hofidiana ireo maharaka ny hazakazaka ataony. Tsy naha maika azy ireo nihazakazahana anefa ny namaha ny olan’ny Jirama, ny solika, ny famokaram-bary, ny fiainan’ny mponina, araka ny nambarany. “Mihakazaka sy mifikitra amin’ny fitondrana fa tsy mamaha ny olana eo amin’ny sosialim-bahoaka ary miroso any amin’ny jadona”, hoy izy. Nohitsiny fa ho any amin’ny fanjakana tsy rafesina mandidy ny firenena. Niantsoany fahamailoana avokoa izany rehetra izany satria efa tsy tan-dalàna isika izao. Ahiny ho any amin’ny fanovana lalàmpanorenana miaraka amin’ireo depiote ireo izany ahafahana mitazona sy manohy ny fahefana eo an-tanany.

Synèse R.

Partager sur: