Rugby – “Africa Men’s sevens Tournament”: nandrombaka medaly volafotsy ny Makis de Madagascar

Tsy nitsanga-menatra fa nitondra avo ny voninahi-pirenena indray ny Makis de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Nibata medaly volafotsy ry zalahy, teo amin’ny sokajy lalaovin’olona 7.

Nifarana omaly alahady, tatsy Maorisy, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Africa Men’s sevens Tournament”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 sokajy “se­nior”, lehilahy. Nandrombaka ny medaly volafotsy ny Makis de Madagascar. Resin’i Ou­ganda, tamin’ny isa 31 no ho 12, teo amin’ny famaranana, ny Malagasy. Voa teo amin’ny haben’ny vatana ny Makis. Tsy nahatosika ny Ougandais tao anaty “maule” mihitsy mantsy ry Zinho sy Jean Yves. Na izany aza, niezaka nanafaingana ny lalao tamin’ny alalan’ny tolotra haingam-pandeha ha­trany ny Makis saingy hain’ny Ougandais ny nanakana izany.
Marihina fa tsy resy mihitsy ny Makis de Madagascar, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny manasa-dalana. Raha tsiahivina ny vokatra, tao amin’ny vondrona “A” no nisy ny Makis de Madagascar. Nandresy an’i Nigeria, tamin’ny isa, 36 no ho 14, teo amin’ny lalao voalohany, avy eo nanilika an’i Maurice, 33 no ho 28, ary nandavo an’i Kenya, 7 no ho 5. Ry zareo Kenyanina izay noheverina fa andrarezina saingy tsy tafavoaka tamin’ny ekipam-pirenena malagasy.
Niverina nidona tamin’i Maurice, teo amin’ny ampahefa-dalana ka tsy mbola afa-bela ry zareo maorisianina, fa resy tamin’ny isa 12 no ho 5. Nifanandrina tamin’i Burkina Faso, teo amin’ny manasa-dalana ka lavon’ny Makis, tamin’ny isa 24 no ho 19, izy ireo ary teo amin’ny famaranana, resin’i Ouganda, 31 no ho 12.
Hitohy amin’ny sabotsy 6 sy alahady 7 jolay ho avy izao ny dingana faharoa, amin’ity “Africa men’s sevens Tournament” ity. Hiadiana ny tapakila roa hiatrehina ny “Sevens challenger series 2025” ity fifaninanana ity.

Tompondaka

Partager sur: