Sombim-baovao

Miverina tanteraka amin’ny heriny i Hakim Abdallah, lohalaharan’ny Barea, amin’izao fotoana izao, taorian’ny ratra nahazo azy. Nahatafiditra baolina telo ny tenany, omaly, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay nifanandrinan’ny ekipa misy azy, Dynamo de Bucarest sy ny Domzale. Nandresy 4 no ho 3 izy ireo.

Voahosotra ho tompondaka an’ny « Runball 2024 », taranja basikety 3×3, izay natao tany La Réunion, ny Ankoay vavy. Tompon’ny amboara lefitra kosa ny ekipa nasionaly sokajy lehilahy, rehefa resin’i France, 17 no ho 21, teo amin’ny famaranana. Tsiahivina fa ny ekipam-pirenena frantsay, miatrika ny Lalao Olympika Paris 2024.

Efa tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, “Copa America”, ny ekipam-pirenena Argentine, tompondaka farany. Ankoatra an’izy ireo, efa nahazo tapakila amin’izany ihany koa i Canada. Hatao ny zoma ho avy izao ny ampahefa-dalan’ity fifanintsanana ity.

Partager sur: