Soratra, hira, kabary… : hotsaroana i Abel Andriarimalala

Andrarezin’ny teny sy ny soratra. Abel Andriarimalala, mpamoron-kira manana ny lazany eto an-toerana sy any ivelany. Fantatra fa hanatanteraka hetsika lehibe iray ho fahatsiarovana ity oloben’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy ity ny fikambanana niara-niasa taminy any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahina ny sabotsy 6 jolay, ao amin’ny Efitrano Bexley, 7 lalana Montespan 91000 Ev­ry-Courcouronnes, ny fifampizarana ny mombamomba an’i Abel Andriarimalala. Fandefa­sana rindrantsary, hira sy mozika, izay hanasongadinana ireo sanganasany.
Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany kosa ilay sora-tononina (Dictée Géante) notsongaina avy tamin’ny sanganasan’i Abel Andriarimalala. Amin’ny 4 ora, misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra. Malalaka amin’ny kanto hoentiny ny tsirairay. Anisan’ireny ny valandresaka, hira, tononkalo. Marihina fa na nipetraka naharitra tany ivelany aza ity andrarezin’ny kanto malagasy ity, anisan’ny nimasoany fatratra ny fikajiana sy fanolokoloana ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: