TARATRY ny KANTO

Foko Mikea. Naseho tetsy amin’ny (IFM) Analakely, ny sabotsy teo, ny sary fampirantiana maneho ny fiainan’ny mponina Mikea. Sary notontosain’i Thierry Cron sy Jean-Claude Vinson. Tanjona ny hanehoana sy hampahafantarana ny tena tontolom-piainan’izy ireo any amin’ny misy azy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ity ivontoerana ity ny hetsika.

Naseho tetsy amin’ny Kianja Maitso Anala­mahitsy ny gadona mafana misy eto Madagasikara, omaly. Niara-nanafana izany ireo tarika telo, ny Apost sy Iniah ary Mania. Nanehoana izany gadona izany no nanaovana ireo hira mihetsiketsika raha najanona kosa ireo hira milamina. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mozika ny hetsika.

Tantara an-tsehatra tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Niavaka tamin’ny fanehoana karazana talenta sy traikefan’ny mpilalao ny fiakarana an-tsehatra nataon’ny Rihakanto, tamin’io andro io. Tsy nijanona teo amin’ny filalaovana tantara an-tsehatra toy ny mahazatra ihany izy ireo fa nampiseho fahaiza-mihira sy mitendry zavamaneno ary mandihy ihany koa.

Famorana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny vanim-potoana fanaovana hasoavan-jaza ny vaninandro ririnina tahaka izao. Fomba amam-panao iraisan’ny Malagasy rehetra izy io. Amin’ny ankapobeny, atao izany ireo zazalahy kely alohan’ny faha-4 taonany. Endrika hanehoana fa tena lehilahy tokoa ny zazalahy rehefa vita azy io. Arahaba ririnina, io ny teny fiarahabana amin’izany.

Partager sur: