“Tsenaben’ny tanora”: hahafahan’ny tanora mitady lalam-barotra

Hotanterahina ny 5 sy 6 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Tsenaben’ny tanora ». Foara karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hahafahan’ny tanora mitady lalam-barotra. Maro, araka ny nambaran’ny minisitra Ramonjavelo Valéry, ny fampiofanana nomena ireo Mala­gasy, tanora, manerana ny Nosy, ka fotoana izao hampisehoan’izy ireo ny vokatra. Hetsika iray ihany koa ity Tsenabe ity, hifanomezan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana tanana, hanohanana ireo tanora amin’ny fananganana orinasa. Tanjona, amin’izany, ny fampiharana ny paikady fanoitra mba hisian’ny fizakan-tenan’ny tanora bebe kokoa. Eo ihany koa ny hahafahan’izy ireo miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana. Nisy ny sivana natao tamin’ireo tanora manerana ny Nosy, izay niarahana miasa tamin’ny Talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, any amin’ny faritra, ka izay efa nisitraka fampiofanana nokarakarain’ny MJS no afaka handray anjara amin’ity “Tsenaben’ny tanora” ity. Manentana ny rehetra ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mba ho tonga maro hanohana ity hetsika fanomezan-danjan’ny vokatra novolavolain’ny tanora malagasy ity.

Mi.Raz

Partager sur: