Mahabe adihevitra amin’izao ny toeran’ny tsy miankina eny amin’ny Antenimierampirenena? Eny, na mazava izao aza fa misy ny fahazoana maro anisa feno sy tanteraka. Mby amin’ny filazan’ny mpandinika iray izay hoe na ho any amin’ny fanoherana aza izy ireo, tsy hanova inona firy. Raha tsy hoe hiandany any amin’ny mpomba ny fitondrana angaha, ka hisy ny fahazoana ny androatokon’ny toerana amin’izay mety ho fanapahan-kevitra politika goavana eny amin’ny Lapan’ny demokrasia. Politika avo lenta izay. Ndeha hankinina amin’ny tsy miankina ve ny fandehan’ny raharaha?
Efa nisy, ohatra, ny firaisa-monina sivily, toy ny KMF/Cnoe, nilaza fa famitahana ny mpifidy azy ny fivadihan’ireo tsy miankina atsy na aroa. Ny maha tsy miankina azy no nifidianan’ny vahoaka azy. Misy amin’izy ireo koa no nampiaka-peo ny amin’ny tokony hiraisan’izy ireo hina, hanangana vondrona parlemantera matanjaka. Nefa misy koa ny mpandinika milaza fa tokony hanangana antoko politika iray ny tsy miankina raha hitambatra. Dia hisy hevitra 50 samihafa ve izany hampandrosoana an’i Madagasikara, raha mizarazara toy izany? Na hisy koa ny governemanta tsy miankina any aoriana any…
Fijery politika avokoa izany? Mila mandini-tena ny antoko politika fa misy antony ao, matoa mirona any amin’ny tsy miankina ny vahoaka. Eny, na izay mpikambana ao aminy aza ka tsy natolotra ho kandidà tamin’ny fifidianana teo aza, nirotsaka ho tsy miankina: tsy voafehy, tsy misy etika… Tsy foto-kevitra loatra no ijoroana sy mampihetsika, mampitambatra na mampisaraka, fa ady toerana sy hazakazaka amin’izany fotsiny. Hanao ahoana raha avela amin’izao hatrany? Very hasina ny antoko politika sy ny mpanao politika. Ndeha hankinina amin’ny tsy mankina ve ny fanaovana politika.
R. Nd.