VAOVAO TAMBATRA

Hiara-hiasa amina orinasa malagasy ny Global Li-Ion Graphite Corp hijery ireo tahirina Uranium eto Madagasikara. Kendrena ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ny hanombanana ny tetikasa izay miampita amin’ny fampiasana ny angovo maitso. Ankilany, efa vonona hitrandraka ny Graphite ao Amba­to­haranana ny orinasa.

Hisokatra tanteraka manomboka rahampitso ny lalam-pirenena fahenina (RN6), taorian’ny fahatapahana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Hisokatra manaraka izay ny fivilian-dalana ao Mahavavy, Ambilobe raha efa azo ifamezivezen’ny fiara rehetra ny ao Ifasy Baramanja.

Maherin’ny 444 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasan’ny FMFP sy ny Tranoben’ny varotra sy ny indostria ao Toamasina, ka izay orinasa ara-dalàna sy mahaloa hetra no hisitraka ny tetikasa. Singanina manokana ny fandraharahana eny amin’ny seranan-tsambo sy ny fizahantany ary ny toekarena manga.

Nankalazaina ny sabotsy teo, tany amin’ny ivontoerana fikarohana ao Kianjasoa, Tsiroamandidy, ny faha faha-50 taonan’ny Fikarohana hampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fofifa). Fanamby napetraka ny hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fikarohana siantifika mipaka amin’ny olombelona, indrindra ny eny ambanivohitra.

Partager sur: