Manohana ny mponina amin’ny lafiny fotodrafitrasa ny fikambanana Zanak’ Ambohidratrimo Marovatana (Zam), tarihin’ny filohany, Rabary Hery. Anisan’izany ny fanatsarana ny lalankely eny amin’ny fokontany Soamananety natao rarivato, mirefy 15 metatra, miampy tetezana hiampitana eny Tsinjohasina, izay natao tsara tokoa.
Ankoatra ireo, nisy ny tohana amin’ny lafiny fahasalamana. Nahatratra 119 ny zazalahikely natao didim-poitra faobe maimaimpoana, ka dokotera miisa 8 no nanatanteraka izany. Nizarana kilalao marobe izy ireo, toy ny zanaky Rakotojaona Evariste.
Nisy koa ny fizaham-pahasalamana ho an’ny olon-dehibe miisa 100, sady nitiliana ny diabeta sy goty. Anisan’ny nisitraka izany Ramarijaona Clarisse, izay faly tokoa nilaza fa « tsy lany vola niakatra tany an-dRenivohitra intsony ».
Tsiahivina fa efa maro ny tohana nataon’ny Zam eny Ambohidratrimo, toy ny fanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, isam-pokontany, ny fanolorana kojakoja amin’ny fanatanjahantena ho an’ny tanora sy ny hafa.
Njaka A.