Baolina kitra – «Euro 2024» : hidona amin’i Espagne i Allemagne

Hangotraka ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Hifampi­katroka eo amin’ny ampahefa-dalana mantsy ny La roja Espagne sy ny Mannschaft Allemagne. Ekipa andrarezina ao Eoropa amin’izao fotoana. Hiendrika famaranana kely ny azy roa tonta ireto. Hanana tombony i Allemagne noho izy ireo hilalao eo amin’ny kianjany sy manoloana ireo mpomba azy. Hatao ny zoma ho avy izao ny fihaonan’izy ireo.

Nangoron-damba i Belgique

Nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny Diables Rouge Belgique. Resin’ny Les Bleus France, tamin’ny isa, 1 no ho 0, izy ireo, omaly, tao amin’ny kianja Esprit Arena Allemagne. Tsiahivina fa nanindry tanteraka tamin’ity fihao­nana ity ny Les Bleus, saingy tany amin’ny minitra faha-84 vao nahatafiditra baolina ny frantsay rehefa namono tena i Vertonghen, vodilaharana belza.
Tsiahivina fa izay tafavoaka amin’i Portugal sy i Slovenie no midona amin’i France any amin’ny dingana manaraka.

Tompondaka sy Fitia Randria

Partager sur: