Naneho ny fahavononany hanohana ny vehivavy mpandraharaha sy ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ny BNI Madagascar, nandritra ny hetsika fahadimy «COMESA Federation of Women in Business Trade Fair (COMFWB) », ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izay, namelabelatra ny tontolon’ny fampiasam-bola maitso sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny tale jeneralin’ny BNI Madagascar, Alexandre Mey, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel Ivandry. Nasongadiny, nandritra izay, ny mahakasika ny paikadin’ny banky amin’ny tohana ara-bola omeny ireo tetikasa maitso. Voalaza fa nahatratra 135 500 isa ireo asa niforona tamin’ny alalan’ny fampandrosoana lovain-jafy nataon’ny BNI Madagascar, raha tafakatra hatrany amin’ny 290 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola ho an’ny fiarovana ny harem-pirenena nomeny. Voatonona ao anatin’izany ny « décarbonisation », ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, indrindra ny fandraharahana ataon’ny vehivavy amin’ny alalan’ny tetikasa BNI Lovainjafy izay mampifandanja ny zon’ny lahy sy ny vavy.
Henintsoa H.