Filana iraisam-pirenena : mirongatra ny trafikana harena voajanahary

Nahatratra 26 ireo tranga fanondranana harena voajanahary hitan’ny Alliance Voa­hary Gasy teto amin’ny Nosy, ta­min’ity taona ity, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana etsy Andraina­rivo, omaly. Manodi­dina ny 5 383 mahery ny so­katra nahondrana tsy ara-dalàna, 48 gidro ary 100 ihany koa ny Baobab nains miala eto Mada­gasikara mankany ivelany. “Antony mampirongatra izany ny fisian’ ny filana iraisam-pirenena mom­ba ny biby tsy fahita firy sy tsy ha­nanana”, hoy ny Sekre­tera je­neralin’ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Rasamoelina Moïse. “Maro ny vahiny, indrindra ny avy any Asie, izay mitady ireo biby tsy fahita firy sy tsy hananana ireo ka antony mampirongatra ny fanondranana tsy ara-dalàna” , hoy hatrany izy. Nambarany fa rehefa misy ny filana dia misy foana ny mpanome ary tafiditra ao anatin’izany i Mada­gasikara.

Miantso hanamafisana ny sazy
“Misy kolikoly avo lenta ny harena voajanahary eto amin’ ny Nosy matoa tafavoaka any ivelany. Manao ny asany ihany ny tomponandraikitra fa somary sahirana rehefa miakatra fitsarana ny raharaha”, hoy kosa Razaka­manarina Ndranto, filohan’ny AVG. Ni­antso ny hanamafisana ny sazy famaizana ataon’ny fitsarana sy ny famoahana ireo anaran’olona tom­pon’andraikitra tratra amin’ny fanaovana ny tranga izy ireo. Toko­ny ha­sondrotra koa ny arofenitra sy ny enti-manana ho an’ireo mi­nisitera misahana ny harena voajanahary eto Ma­daga­si­kara. Mba hahafahana miaro ny harena voajanahary eto amin’ny Nosy. Efa niara-niasa foana ny avy eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny AVG nahafahana na­moaka ny vaovao mahakasika ny tranga fanondranana harena voajanahary.

Mino

Partager sur: