INDRAY MIJERY

Manampy ny olona manan-draharaha sy mitondra marary ao aminy hamantatra ny Sampandraharaha rehetra ao ny hopitaly CHU HJRA. Nanazava ny pejiny fa mifantoka kokoa amin’ny fitsaboana ny aretina mila fandidiana ao amin’izy ireo izany. Efa misoratra mazava rahateo ireo karazana sampandraharaha isaky ny rihana sy ny efitra misy izany.

Manomboka ny fotoam-pialantsasatra. Betsaka ireo misafidy ny hiala sasatra any Toamasina, hijery ny Tanàna vaovao Miami. Na eo aza ny haratsian’ny lalana mankany, mahaliana ny olona ny hijery ny fivoaran’ny tanàna. Vao notokanana tsy ela rahateo ny Miami, ao Toamasina, izay natao hisarihana mpizahatany.

Manohana ireo mpamokatra saonjo sy oviala ao Brickaville Ambatovy. Manampy tokantrano 117, mivondrona ao anaty fikambanana 10 eo ho eo, hanatsara ny velontenany ny orinasa. Notoloran’ny orinasa zana-tsaonjo 15 000 isa sy zanaka oviala 20 000, miaraka amin’ny zezika kankana mahavita fotoam-pambolena iray manontolo, ireo tantsaha. Tafiditra anatin’ny fandraisan’Ambatovy anjara amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo izany.

Mahasarika ny mpitsidika amin’izao fotoam-pialantsasatra izao ny fitsidihana ireo toerana ahazoana mizaha karazana zavaboahary miaraka amin’ny fandehanana an-tongotra amin’ny kilometatra maro. Ilaina ny famandrihana mialoha hialana amin’ny fahafenoan’ny toeram-pandraisana mandritra ny volana jolay sy aogositra.

Partager sur: