Niditra an-kianja, omaly, teny By Pass, misy ny milina One District One Factory (Odof) mpamokatra paty Alo Food Factory ireo inspektera 31 nahavita fianianana tamin’ny herinandro teo. Nohamarinin’izy ireo avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalan’ny orinasa hiodina sy hamokatra. Ity farany izay ao anatin’ny andrana ara-teknika. Antony nanaovana ny fidinana ifotony ny hijerena ireo pitsompitsony tokony hapetraka tsara. « Nomena ireo mpandraharahan’ny orinasa ny toromarika hanatsarana ny tontolo ara-indostrialy ary ny fomba hanodinana ny milina sy ny orinasa Odof mpamokatra paty », hoy ny tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) Rakotoarivonona Njiva. Araka izany, hitondra ny fahaiza-manaony hanampiana ireo mpandraharaha amin’ny fananganana indostria ireo Inspektera indostrialy. Nankasitraka izany fitsidihana izany ny tomponandraikitry ny orinasa. Nambarany fa manampy azy hanatrarany ny famokarana paty 4 taonina isan’andro ny toromarika nozaraina.
Andraikitra goavana
Andrasana amin’ireo inspektera 31 vaovao ny fanoroan-kevitra sy ny tantsoroka an’ireo mpandraharaha hampiodina ny orinasany fa tsy hijanona hikaroka fandikan-dalàna fotsiny. Efa nanafatrafatra rahateo ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) fa any amin’izy ireo ny fanalahidin’ny fampiroboroboana ny indostria. Marihina fa andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny indostria ka hiandraikitra ny fanodinana sy hanara-maso ny fampandehanana izany ireo inspektera 31 nahavita fianianana hiasa manerana ny Nosy.
Henintsoa H.