“IRD2024” : mbola manana ny toerany ny Reggea eto Madagasikara

Gadona anisan’ny nitondra fanovana tamina firenena maro, indrindra ny teto Afrika, ny Reggea. Manana ny maha izy azy ihany koa izy io eto an-toerana na dia tsy nitovy tamin’ny firenen-kafa aza ny fomba nidirany.

Tsaroana manokana isa­ky ny 1 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggea. Misy ny hetsika manokana « International Reggea Day Festival » (IRD 2024) entina mankalaza izany. Firenena maro maneran-tany no manatanteraka izany, ary anisany ny eto Ma­dagasikara. Ho an’ny eto an-toerana, fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanakanto mpihira mivoy ny gadona Reggea no nentina nanamarihina izany.
Ambohi-pihaonan’ny mpankafy sy mpiangaly ny gadona Reggea eto Mada­gasikara, ny teny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, omaly, nandritra ny fankalazana ny “IRD2024”. Nifam­pizara sehatra sy nifandimby nanafana ny lanonana, nandritra izany, i Jahmitascar, Kyàlaa, Lehilah Joby, Majec­tic Lion, Kheman, Mashman­jaka ary Jah Roots Malagasy Revolution. Manana ny maha izy azy ny Reggea, rah any eto Madagasikara. Taratra izany ny hamaroan’ny olona tonga nankalaza ny “IRD 2024”.
Marihina fa any Jamaïque no ivon’ny fankalazana, ary miditra amin’ny andiany faha-30 ny hetsika ho azy ireo. Velakevitra sy dinidinika no nentina nanamarihina izany, nifantoka manokana tamin’ny lohahevitra “Ny fa­hombiazana sy ny fiantraikan’ny gadona Reggea amin’ny mozika sy sarimihetsika ary ny haino vaky jery izay mikendry ny hampandroso ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra”. Ny mahakasika ny lanjan’ny mozika, gadona Reggea, indrindra nandritra ny tolona teto Afrika kosa no noresahina tamin’ny dinidinika. No­resahina manokana tamin’izany ny tolom-bahoaka tao Afrika Atsimo sy tany Jamaika.

Lin

Partager sur: