Jeneraly Ravalomanana Richard : “Vonona hatrany hijery ny mahasoa ny vahoaka izahay”

Nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny fiahian’izy
ireo ny eny ifotony.

“Ny Antenimieran­do­holona dia vonona hatrany hiresaka sy hihaino ary hijery izay soa ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanaovana tolo-dalàna”, hoy ny kabary famaranan’ny filohan’ny Antenimierandoho­lona, ny jeneraly Ravaloma­nana Richard, ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Ante­nimierandoholona teny Anosy, omaly. Nizotra antsakany sy andavany ny fivoriana ara-potoana. 12 ny tolo-dalàna nodinihina, folo ny lalàna nangatahana fankatoavana izay hiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, iray lalàna tsotra, ary ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana. Hitondra fampandrosoana mivantana amin’ny fiainam-bahoaka sy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ireo lalàna ireo. Satria momba ny fampidiran-jiro, fanatsarana fambolena sy ny sakafo ary ny tontolon’ny asa amin’ny mpiasa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho amin’ny fampidiran-ketra, fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena.
Nankasitrahany ireo minisitra izay nitondra an’ireo lalàna. Tsapa fa natao hitondra soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena manontolo izany. Nisaotra an’ireo eo anivon’ny Antenimierandoholona koa izy fa niezaka tamin’ny fanatanterahana asa, na teo aza ny adidy aman’andraikitra, indrindra nanatrehana ny fifidianana. Teo koa ny fanehoana firaisankina sy fiaraha-miasa eo amin’ny samy loholona, na samy manana ny heviny aza.
Talohan’izany, nisy ny fankasitrahana sy fanolorana mari-pahatsiarovana manokana ny loholona Manasoa Donat Tang, izay voafidy depiote.

R. Nd.

Partager sur: