Minisitra Andonirina : “Hampiharina ny lalàna”

Niharan’ny herisetra miisa telo ireo mpianala, tao anatin’ny roa volana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Andonirina Max Fontaine, omaly.
”Tsy eken’ny fanjakana mihitsy izany ary tsy maintsy ampiharina ny lalàna manoloana izany”, hoy izy. Nambarany fa efa mandeha koa ny fanadihadiana momba ny herisetra nihatra tamin’ireo Vondron’olona ifotony (VOI), miisa roa tany Alaotra Mangoro, ny herinandro teo.
Efa mandeha koa ny fikarohana miaraka amin’ny zandary sy ireo tomponandraikitra isan-karazany, araka ny nambarany. “Hofongorintsika ny tsy fandriampahalemana rehetra mi­hatra amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana”, hoy ihany izy. Eo koa ny fivoriana nandinihina ny paikady hahafahana mamantatra ny zava-misy eny ifotony ary hitondrana vahaolana maharitra momba izany.

Synèse R.

Partager sur: