Natomboka teny amin’ny Ivokolo : volana jolay, volan’ny sary hosodoko

Efa nisy ny “Hosotra” taloha. Nomena sehatra bebe kokoa ity seha-kanto ity nanomboka ny taona 2021, ka raikitra ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, isaky ny volana jolay.

Inona no hatao hampitodika ny Malagasy bebe kokoa amin’ny hosodoko? Ny va­lin’izay fanontaniana izay no natambatra, ka niteraka ny “Iray volan’ny hosodoko”. Tsy vaovao akory fa efa nisy taloha, saingy nomena vahana izany taty aoriana. Nosokafa­na omaly, ny andiany fahatelo amin’ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Ao amin’ity toerana ity rahateo ny fampirantiana voalohany, izay ahitana ny sanganasan’ireo mpanakanto am-polony.
“Nivaly ny hetahetanay ny hanana hetsika manokana ho an’ny hosodoko. Mbola maniry ihany anefa izahay ny ha­hazo toerana ankalamanjana raikitra, toy ny etsy amin’ny Esplanade Analakely tamin’ny fotoanan’ny Hosotra”, hoy i Bozy, nisolo tena an’ireo mpanao hosodoko nandritra ny lanonam-panokafana, omaly.
“Nisy ny ezaka natao mba tsy hisian’ny sehatra ho hadino eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Natao hampiroboroboana ny sehatra ny hetsika. Mila tosika ireo mpanao hosodoko ary manana ny hoaviny ny sary hosodoko”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotond­ra­soava Fetra.
Anisan’ny zava-baovao amin’ity andiany fahatelo ity ny fitetezana toerana manan-tantara isaky ny sabotsy, ka hanaovan’ireo mpanakanto hosodoko eo no ho eo. Hanomboka izany ny eny amin’ny Rovan’Ambohimanga, ny 6 jolay, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny 13 jolay ary eo Analakely, ny 20 jolay. Mpanao hosodoko maromaro no namaly ny antso amin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: