Olana ara-pitiavana: Vehivavy maty nananton-tena

Niady mivady lava! Diso fanantenana tamin’ny fitiavana ny renim-pianakaviana iray ka nisafidy ny hamono tena. Nahantony tamin’ny tady ny tendany, araka ny filazan’ny zandary.

Tanora vao erotrerony, maty nananton-tena ny vehivavy iray 20 taona tao amin’ny fokontany Anko­bakobaka, kaominina ambanivohitr’i Morafeno, ny zoma 28 jona teo. Tsy nisy nanampo na inona na inona ny mponina teo an-tanàna, tamin’io andro io. Hataraina ny azy ireo nahita olona nihantona teo amin’ny manga iray naniry teo an-tokotany be. Nifatotra tady vaventy teo amin’ny tendany io olona io. Nikoropaka avy hatrany ireo nanatri-maso. Tsy vaovao tamin’ny olona akaiky azy intsony ny namantatra fa ilay tovovavy 20 taona, mponina ao an-tanàna ihany ity hita nihantona ity. Niantso ny tomponandraikitra mahefa avy hatrany ny lehiben’ny fokontany.

Ady mivady
Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fahitana io vehivavy nihantona efa tsy nisy aina intsony io. Nanao ny fanamarinana sy fizahana ny vatana mangatsiakan’io vehivavy io ny mpitsabo. Nandritra ny famotorana savaranonando no nahafantarana fa olana ara-pitiavana teo aminy sy ny vadiny no nitarika azy hamono tena. Voalaza fa matetika manana olana amin’ny vadiny izy io. Tsy zakany intsony izany ka izao izy nisafidy hamono tena izao. Mbola niraikitra teo amin’ny tendany ny tady namonoany tena. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, efa natolotra ny fianakaviana ny razana.

J.C

Partager sur: