Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faha-13, omaly. Fiarabe karandalana, Tata, mampitohy an’Antananarivo sy Taolagnaro ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy aty an-dRenivohitra hihazo an’i Taolagnaro ity karandalana ity no nivadika tampoka teny an-dalana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Betroka, teo amin’ny tetezana miala ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Ianabinda no nitranga ny loza. Tsy tafiditra ny tetezana ilay fiarabe fa nihanika ny sisin’ny tetezana ny kodiarana aoriana amin’ny ilany havanana ka nilatsaka avy hatrany. Fantatra fa mpandeha 12 tao anaty fiara no indray naratra. Mafy ny fianjeran’ny fiara ka nisy tamin’ireo mpandeha no nianjeran’ny entana sy voadona mafy teo amin’ny lohany.
Ratsy ny lalana…
Tao indray ireo tafapitika teny ivelan’ny fiara. Nentina niakatra tao Betroka hanohy ny fitsaboana ireo mpandeha izay hita fa tena voa mafy. Nifanome tanana tamin’ny famoahana ireo mpandeha tao anaty fiara ny zandary. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nahitana fahasimbana kosa ilay karandalana. Ny zandary ao Betroka no miambina ireo mpandeha sy ny entana rehetra mialoha ny hamindrana ireo mpandeha amin’ny fiara taksiborosy hafa. Na eo aza ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ny fanamboaran-dalana, tsikaritra fa anisan’ireo tena mbola mampikaikaika ny mpandeha mihazo an’i Taolagnaro ny miainga avy eo an-tampon’ Ihorombe hatrany Ambovombe, ny haratsin’ny lalana.
J.C