Rugby à VII – « Africa sevens Men 2024 »: nahazo isa 18 ny Makis de Madagascar

Namoaka ny isa azon’ny ekipa tsirairay avy, omaly, ny Rugby Afrique, taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, so­kajy sénior, lehilahy, « Africa sevens Men 2024 ». Fihao­nana natao tatsy Maorisy, ny 29 sy ny 30 jona lasa teo. Fantatra ary fa nahazo isa 18 ny Makis de Madagascar, raha 20 ny an’ny The Cranes Ouganda, nandrombaka ny medaly volamena. Fahatelo i Afrika Atsimo, nahazo isa 16 ary fahefatra i Burkina Faso, 14. Farany amin’ireo firenena 12 mifaninana amin’ity lalao ity, i Algerie tsy nahazo afa-tsy isa 1. Raha tsiahivina, fan­dresena hatrany no azon’ny Makis de Madagascar nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ka ha­treo amin’ny manasa-dalana. Hitohy amin’ny sabotsy 6 sy ny alahady 7 jolay ho avy izao ny dingana faharoa ka hatao ao Maurice hatrany izany. Tontosa omaly ny antsapaka ka tafalatsaka ao amin’ny vondrona «B» indray ny Makis de Madagascar, miaraka amin’i Kenya sy i Zambie ary i Algerie. Heverin’ny rehetra fa tsy hisy hahasakana ny Malagasy ireto mpifanandrina aminy ireto. Efa iray sokajy taminy i Kenya, nandritra ny dingana voalohany ary resiny. Marihina fa hiadiana ny « Series Chal­lenger Cup 2025” izy ity ka hiatrika izany ireo ekipa 2 voalohany.

Tompondaka

Partager sur: