SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 13 sy ny 14 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny andro voalohan’ny fifanina­nana « Play out PFL », hahafantarana ny ekipa roa mihintsana any amin’ny diviziona faharoa. Raha ny
vaovao voaray, hatao ny faran’ny volana jolay kosa ny fifanintsanana nasionaly diviziona faharoa.

Hotanterahina ny 6 hatramin’ny 14 jolay ho avy izao, any Nosy Be Hellville, ny fifaninanana N1B, taranja basikety. Miisa 29 ireo klioba mandray anjara amin’izany. Tsiahivina fa avy amin’ny ligy 14 izy ireo. Anisan’izany ny ligin’i Diana, Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra…

Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja lomano omaly, Raharvel Jonathan, lehilahy, sy i Holy Antsa, vehivavy, no solontenan’i Malagasy miatrika ny lalao Olympika 2024. Raha ny fanazavana voaray, i Holy Antsa no manana isa betsaka mihoatra an’i Tendry Idealy, vehivavy mpilomano.

Voahosotra ho tompondakan’i Boeny, amin’ ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny tanora latsaky ny 20 taona, ny Fosa Junior academie. Tsiahivina fa ny Fosa academie zokiny ihany koa no nahazo ny am­boara teo amin’ny diviziona voalohany nasionaly any an-toerana.

Partager sur: