Hanara-maso ny vokatra lavanila ireo tomponandraikitra isan-tokony mandritra ny fotoana hiotazana sy hamarotana ny vokatra amin’ity taom-piotazana lavanila 2024 ity, any amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo manampahefana any an-toerana sy ireo tale isan-tsokajiny voakasiky ny vokatra lavanila, ny herinandro teo. Nofaritana, nandritra izany, ny toerana hametrahana ireo tsenan-davanila voaara-maso, ny fepetra sy ny lalàna manan-kery momba izany. Nampahatsiahy ny talem-paritry ny Fampirobororoboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) Atsimo Atsinannaa fa « tokony hitandro ny lalàna mifehy ny lavanila ny tsirairay mba hananana kalitao tsara takin’ny tsena ». Ankehitriny, tomombana ny rehetra ary miomana amin’ny fisokafan’ny tsena lavanila ny any an-toerana.
Marihina fa nisokatra ny 20 sy 21 jona ny taom-piotazana lavanila tao Volobe, faritra Anosy. Nisantatra ny vokatra 700 kilao ny mpividy Lovien.
Henintsoa H.