TARATRY ny KANTO

Nanomboka omaly hatramin’ny 31 jolay 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampi­rantiana haikanto plastika. Seho ranty mitondra ny lohateny hoe “Tantara fohy”. Ny Plum’art, fikamba­nana ivondronan’ireo mpiangaly hosodoko no mikarakara ny hetsika. Ireo mpanao hosodoko vao mi­sandratra kosa no tena homena sehatra ao anatin’
izany.

Tanterahina mandritra ity volana jolay ity, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Fialantsasatra kanto”. Hetsika ara-javakanto ahitana atrikasa fanaovana hosodoko sy sary sokitra ary sary lasitra. Ny ankizy mpianatra no tena kendrena amin’izao hetsika izao mba hitaizana ny sain’izy ireo sy hampialana voly azy.

Ho eny amin’ny Saint Michel Itaosy ny tarika Vetsonkira. Fampisehoana nampitondraina ny lohateny: « Vetsom-bavaka an-kira », hotanterahina ao amin’ ny efitrano fanaovan-danonan’ny fiangonana, ny alahady 28 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Amin’ny ankapobeny, hahazo laka hatrany ny hira fiderana ny halehiben’ny voninahitr’Andria­manitra, mandritra ity fampisehoana ity.

“Famoloana telozoro”, etsy amin’ny Tra­nombokim-pirenena Anosy, rahampitso 3 jolay, ma­nomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Lohahevitra
voalohany ny “Fanabeazana ara-pananahana ny tanora: ny anjara birikin-dRado ao amin’ny tononkalony” izay entin’i Aina Herinandrasana. Faharoa ny “Malagasy sy ny taratasim-panjakana”, hozarain’i Magie Cam.

Partager sur: