TSELATRA

Efa-mianaka niara-nampidirina hopitaly vokatry ny fihinanana « composé », tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana vitsy taorian’ny fihinany io sakafo io, samy nitaraina ho narary kibo izy efatra. Nanaraka fitsaboana ka tsy nisy nahiana ny ain’izy ireo.

Tontosa omaly hariva, ny fanamafisana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana teo amin’ny zandarimaria sy ny fokonolona ao amin’ny kaominina Begidro Ankiroroky, distrikan’i Morondava. Tanjona ny handraisan’ny tsirairay ny andraikitra manandrify azy manoloana ny fandriampahaleman’ny tanàna. Nanatrika ity fivoriana ity ny fokonolona sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny anivon’ny kaominina.

Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo osy miisa 250 azon’ny polisim-pirenena teny amin’ireo dahalo fito lahy tao amin’ny fokontany Sakabera, Toliara, afakomaly. Nifanenjehana ireo dahalo. Hita tany amin’ny 15 km miala ny tanàna ireo osy ireo.

Partager sur: