Vokatra bio sy tsara kalitao ary mamaly ny fenitra iraisam-pirenena no tokony hiditra eo amin’ny tsena kanadianana. Mitaky fandavantena ho an’ireo Malagasy mpandraharaha hampahomby sy hampaharitra ny fiaraha-miasa izany.
Mitaky fandavantena, fanarahana fenitra ary taratasy fanamarinana ny maha bio ny fidirana eo amin’ny tsena kanadianina. Tokony ho hita ao anatin’izay avokoa ny valin’ny fitiliana takina eo amin’ny fenitra iraisam-pirenena izay mitaky famatsiam-bola betsaka ho an’ny Malagasy mpandraharaha hamaliana ny filan’ny tsena any an-toerana. « Ankoatra ireo santionan-bokatra izay tena mahasarika ny maso dia tokony ho tsara kalitao ny vokatra omen’ireo mpandraharaha », hoy ny fanazavan’ny mpitantana ny orinasa Beemada, Ramanamirija Murielle, omaly, nandritra ny Réstitution de la mission économique et commerciale au Canada (MECC) 2024 tetsy amin’ny Centell Antanimena. Izany hoe, mila mamaly ny filana takin’ireo teratany vahiny ny Malagasy. Vahaolana, araka izany, ny manome fiofanana sy tohana an’ireo mpanao asa tanana na mpamokatra vonona hiasa. Ankoatra izay, mila fantenana sy manana kalitao tsara ihany koa ny akora ampiasaina hampaharitra ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana ny tolotra eo amin’ny tsena kanadianina.
Fahombiazana
Tsara ny vokatra nandritra ny hetsika MECC andiany fahadimy, ny 6-18 mey, izay nokarakarain’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (CanCham) farany teo. Mahatratra 521 ireo liana amin’ny vokatra malagasy ka ny 126 tamin’izany vonona hanjifa amin’ny vidiny mitentina hatrany amin’ny 2 321 760,5 dolara kanadianina (CAD). Ankehitriny, mahatratra 1 080 000 CAD ireo fangatahana fifampiraharahana ary fiaraha-miasa miisa fito no andalam-panomanana.Tsiahivina fa miisa 15 ireo Malagasy mpandraharaha nandray anjara amin’ny hetsika “MECC 2024” ka ny 11 tamin’ireo nandray anjara tamin’ny Salon international de l’alimentation (Sial) raha telo kosa no nampiranty ny vokatra hafa. Manome toky sahady ireo mpikararaka fa ho avy tsy ho ela ny hetsika “MECC” andiany fahenina.
Henintsoa Hani