BEPC-Toamasina: misy voafonja efatra mianadahy

Nilamina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinam-panjakana faharoa, BEPC, ho an’ny faritra Atsinanana, notanterahin’ireo solontenam-panjakana, raha ny hita tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara. Ho an’ny faritra Atsinanana manokana izay misy fari-piadidiam-pampianarana miisa fito, mahatratra 17 523 ny isan’ny mpiadina, mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 57. Raha ny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, fari-piadidiam-pampianarana Toamasina Renivohitra, miisa 5 375 ny mpiadina ka ny efatra mianadahy amin’ ireo no voafonja ao Ambalatavoahangy. Mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 13 ny ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Raha hiverenana ny amin’ireo mpianatra voafonja, miisa enina mirahalahy no niatrika ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, ary afaka daholo, izay ilazana fa mifantoka amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ny olona voafonja ny ao Ambalatavoahangy.
Ny taranja Kajy sy ny Frantsay no natrehin’ny mpiadina, omaly tontolo andro. Hodimbiasan’ny Taranja tantara sy Jeografia sy ny Fizika sy Simia, ho an’ny anio.

Sajo

Partager sur: