Bisikileta- “Ocean Indien 2024” : hiady mafy amin’ny « course en ligne » i Mohamed Houlder

Ratsy fanombohana ny Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta, i Mohamed Houlder, tamin’ity fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina ity. Laharana faha-14 ny tenany tamin’ny hazakazaka ara-potoanan’ny tsirairay. Hiezaka mafy izy amin’ny dingana farany.

Hifarana anio, ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay tontosaina ao amin’ny Nosy rahavavy Maurice. « Hiady mafy ny tenako amin’ity Course en ligne  ity mba ho anatin’ny telo voalohany», hoy i Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houlder, omaly.
Raha ny fanazavana no­men’ity atleta ity, manana herijika kokoa amin’ity sokajin-dalao ity ny Malagasy, ka azo antenaina ny hahazoana vo­katra tsara. Marihina fa mahatratra 130 km eo ny halaviran’ ny Course en ligne. “Efa zatra nifanintsana tamin’ireo mpifaninana ireo ny tenako, ka tsy dia misy loatra ny tahotra”, hoy ihany izy.
Tsara ny mampahatsiahy fa i Houlder irery no Malagasy nahazo medaly alimo, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, izay natao teto Madagasikara.
Laharana faha-14

Somary ratsy ny vokatra azon’i Mohamed Houlder, tamin’ny hazakazaka ara-potoanan’ny tsirairay. Laha­rana faha-14 tamin’ireo mpifanintsana 15 ny tenany. Nilaza ity Malagasy mpilalao ity fa lesoka ho azy ny tsy fahampian’ny fanomanana sy ny tsy fisian’ny fifaninanana maro aty Madagasikara.
Ilay maorisianina, Henry Alexandre Mayer, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ izany. Araka ny fikarohana natao, efa nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny Course en ligne, nandritra ny lalao Afrikanina, izay natao tany Ghana, ny volana marsa lasa teo, ity maorisianina ity.

Fitia Randria

Partager sur: