Fanaraha-maso eny amin’ny lalam-pirenena : nodinihina ny didim-pitondrana mahakasika ny vesatry ny entana

Antony manimba haingana ny lalam-pirenena ny tsy fanajana ny vesatry ny fiara mpitatitra entana mivezivezy. Novolavolaina, araka izany, ny didim-pitondrana mifehy ny fanaraha-maso izany.

Nodinihina ny herinandro teo ny volavolana di­dim-pitondrana vaovao hifampifehezana sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fanaraha-maso ny vesatry ny entana mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena. Nivoitra, nandritra iza­ny, fa miantomboka any amin’ny fadin-tseranana dia tokony ho efa mipetraka ny fanaraha-maso ny vesatra. Tsy tokony ho ekena ny hitondran’ny mpitatitra entana manana vesatra mihoatra ny tokony ho izy.
Hofaritana ao anatin’io volavolana didim-pitondrana vaovao io koa ny lanja ambony indrindra mahazo alalana hivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ary tokony hanaja izany ireo mpitatitra amin’ny fiara vaventy.

Ankoatra ny lamandy, anisan’ny ho hita ao anatin’io rijanteny io ny fampidinana avy hatrany ny entana eny amin’ireny toeram-pandanjana fiara vaventy ireny, raha toa ka ahitana vesatra mihoatra ny entan’ny mpitatitra.

Tsy maintsy mandalo toeram-pandanjana avokoa ireo fiarabe rehetra mivezivezy amin’ny lalam-pirenena. Mi­antoka ny fahatezan’ny lalana ny fanajana ny vesatra voafaritra. Hentitra ny fanaraha-maso satria ny tanjona dia mba ho fikojakojana sy ananantsika fotodrafitrasa maharitra sy lovain-jafy.

Mandrafitra ny lalàna ifampifehezana amin’ny fanaraha-maso ny vesatry ny fiara vaventy mitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena ny sampandraharaham-panjakana maro, toy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny « Agence Routière », ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Manampy azy ireo ny minisiteran’ny Varotra, ny fadin-tseranana, ny zandarimaria, miaraka amin’ireo mpitatitra isan-tsokajiny… Niarahana tamin’ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena ny dinika.

Tatiana A

Partager sur: