FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany, ny fiandohan’ny herinandro teo, Rajakoba Daniel. Tsy salama ary notsaboina tetsy amin’ny Homi izy izao lasana izao. Anisan’ny nanorina ny antoko Fihavanantsika ity pasitera ity ary efa kandidà filoham-pirenena ny taona 2001 sy ny taona 2006. Efa minisitry ny Asa, fony governemanta Ramanantsoa koa izy.
Noraisin’ny vahoakan’i Vinaninony tamin’ny fomba manetriketrika ny depiote Ramilison Nomenjanahary, omaly. Nambaran’ity depioten’i Faratsiho ity fa aoka atsahatra ny fisaraham-bazana. « Fahavalontsika iombonana ny fahantrana ka aoka tsy hizarazara isika», hoy izy. Tsiahivina fa nafana tahaka izany koa ny fandraisana azy tao Faratsiho, ny herinandro teo.
Mitaky ny hanavaozana sy hanatsarana ny lalàm-pifidianana ny antoko Otrikafo. « Lalana ahafahana mandamina ny disadisam-pifidianana eto amintsika izany », hoy ny filohany, Rabevahiny Elia. Nanteriny fa ilana fifampiresahana sy dinika manokana anefa izany mba hipetrahan’ny marimaritra iraisana.
Anisan’ny tsara toerana ho lehiben’ny fanoherana, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Tokony ho filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena koa izy, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny amin’ny hananan’ny mpanohitra izany toerana izany eny Tsimbazaza. Manana depiote maro rahateo ny vovonana Firaisankina misy azy.

Partager sur: