fizahantany ara-tontolo iainana : antoky ny fampandrosoana

Niorina teto Madagasikara ny taona 2014 ny sekoly iraisam-pirenena Vatel, mampiofana manokana mahakasika ny fizahantany sy ny hotely, Business School. Misy hetsika lehibe telo hoentiny hanamarihina izany, ny 20 sy ny 21 septambra 2024 ho avy izao. Hisy fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fizahantany ara-tontolo iainana eny amin’ny CCI Ivato. Hotokanana ny toeram-piofanana vaovao eny Ivato miaraka amin’ny toera-pisakafoana « Le Cyrano ». Eo koa ny takariva fiaraha-miala voly hankalazana ny faha-10 taona.
Nambaran’ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Vatel Madagasikara, Ramakavelo Faly, fa antoky ny fandrosoana eto amintsika ny fizahantany ara-tontolo iainana. Satria ananantsika ny harena voajanahary sy ny kolontsaina mampiavaka an’i Mada­gasi­kara. Mora tratrarina ny mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, fa mila paikady matotra ireo sehatra voakasika.
Hany sekoly iraisam-pirenena eto amintsika, manofana ny fizahantany sy ny hotely ity foibem-piofanana ity. Mahatratra 364 ny efa nahazo ny diplaoma Bachelor ary 58 amin’ny Master. Manana ny foibeny any Lyon Frantsa, ary miparitaka manerana ny firenena 30.
Efa misy koa ny toeram-piofanana any Morondava sy Sainte-Marie, manofana tanora amin’ny asa any amin’ny toeram-pisakafoana, ny fikarakarana efitranom-bahiny, ny fandraisana vahiny, sns.

Njaka A.

Partager sur: