Hosoka tamin’ny BEPC: mpianatra 18 mianadahy naato!

Tsy afaka manohy intsony ny fanadinana BEPC ny mpianatra 18 mianadahy. Tra-tehaka teo am-pandikana ny valin’ny laza adina matematika izy ireo, omaly. Mpampianatra iray nosamborina.

Noraisim-potsiny! mpampianatra iray amin’ny sekoly tsy miankina ao amin’ny faritra Sofia no voasambotra, omaly. Tra-tehaky ny polisy teo am-pizarana valina laza adina matematika tamina mpiadina BEPC tao an-tranony izy. Tsy nanampo na inona na inona ilay mpanabe voarohirohy nandritra ny fidinan’ny mpitandro filaminana. Nosamborina avy hatrany izy. Nosamborina niaraka taminy ihany koa ny mpianatra miisa 18 nandika ny valin’ny laza adina tao aminy.
Fotoana fohy taorian’ny be midina nataon’ny polisy, tonga teny an-toerana ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria. Voamarina ny fisian’ny tranga fandikan-dalàna. In­drindra ny famoahana mialoha ny fotoana ny laza adina matematika sy ny valiny. Tratra ambodiomby izy 19 mianaka.
Nandika izany teo amin’ny solaitrabe ilay mpampianatra no voasambotra. Nandritra ny fikirakirana ny valopy misy ny laza adina matematika. Tao­rian’ny fanamarihana nataon’ny mpitandro filaminana dia hita sy voamarina fa nitovy tanteraka tamin’ny nadikan’ilay mpampianatra teo amin’ny solaitrabe ny valin’ny laza adina tao anaty valopy.
Ilay laza adina matematika saika hatrehin’ny mpiadina mihitsy io hita nanomezan’ity mpampianatra ity valiny io. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany ilay mpampianatra. Nofotorana ihany koa ny mpianatra miisa 18 tratra.
Taorian’ny zava-niseho, hentitra ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana tao Sofia. “Naato ka tsy afaka manohy fanadinana BEPC intsony izy ireo”, hoy ny fanambarana. Ankoatra ny sazy noraisin’ny manampahefana, tsy maintsy miditra fitsarana ny raharaha tahaka itony, noho ny fanaovana hosoka.

Sajo/J.C

Partager sur: