Inate FC Rouge: vonona hanohitra ny Elgeco Plus

Andro iray sisa dia handeha ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Nilaza ny filohan’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra, Rakoton­dra­miara Hasina, omaly, teny Ambohimanambola, fa vonona tanteraka ny mpilalaon’ izy ireo ny hifanandrina amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany.
Nomarihin’izy ireo fa tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity ny haka ny amboara Telma Coupe ary ny ho lasa lavitra amin’ny fifaninanana Kaonfederasiona Afrikanina CCAF. « Tsy manana olana ara-bola ny klioba Inate FC Rouge. Efa mandeha ny fikarakarana ny taratasim-pilalaovana Caf amin’izao fotoana izao”, hoy ity lehiben’ny klioba Inate FC Rouge ity. Efa nisy moa ny lalao fanomanana nataon’ny klioba, anisan’izany ny fanaovana lalao ara-pirahalahiana izay nihaonana tamin’ny Ajesaia, Cosfa ary ny AS Fanalamanga.
Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 0 no ho 0, ny Inate FC Rouge sy ny Elgeco plus, tamin’ny volana febroary lasa teo. Marihina fa mbola hanao “Playout PFL”, eto Antananarivo, manomboka ny 13 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao, ity klioba avy any Vakinankaratra ity.

Fitia Randria

Partager sur: