INDRAY MIJERY

Tanterahina amin’ity herinandro ity ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) sy ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mahatratra 10 625 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 89, ka sehatr’asa 30 no hanatanterahina izany fanadinana izany.

Hiserana ny varatraza anio ka handrahona na hisy orana tandrifin-drahona ny ilany atsinanan’ny Nosy. Hiverina ho maina indray rahampitso. Hisy hatrany ny zavona ny vao maraina ho an’ny afovoantany, rahampitso. Fandalovana rindrin-drahona no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny toerana sasany ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 2 – 22°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 19 – 33°C ny tolakandro.

Mahaliana ny olona ny fianarana teny tanana izay manampy amin’ny fifaneraserana amin’ireo olona manana olana amin’ny fandrenesana. Mampiofana momba izany ny Akanin’ny Marenina etsy 67Ha. Na ireo tanora maniry ny hiantsehatra amin’ireny akany manabe ireny na ireo mpitaiza zokiolona efa sahirana amin’ny fandrenesana dia liana amin’izany avokoa.

Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny OMS, izay atao amin’ity herinan­dro ity. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny amin’ny sampandraharahan’ny vonjy aina, eny amin’ny hopitaly. Mandray ireo olona tra-doza ary manao vonjy aina maika ny sampandraharaha.

Partager sur: