Lalam-pirenena faha-32 A: maty voatifitra i Ndrepeno, mpanakan-dalana

Lavon’ny balan’ny zandary nanao fisafoana tampoka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanakanan-dalana tao amin’ny lalam-pirenena faha-32 A, mampitohy an’i Vohitraivo, kaominina Vohimena, sy ny renivohitry ny distrikan’Andi­lamena, afakomaly. Nitran­gana fanafihana teny amin’io lalana io, tamin’ny 29 jona teo, tamin’ny 3 ora maraina. Fiara taksibrosy mampitohy an’An­ta­nanarivo sy Andilamena no lasibatra. Tsy nahazo na ino­na na inona anefa ireo dahalo vokatry ny fahatongavan’ny zandary teo no ho eo. Ni­tsoaka nandositra ireo mpandroba. Tetsy ankilany, nanao fisafoana tampoka tamin’io lalam-pirenena io ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny Von­dron-tobim-paritra Andila­mena sy ny kapiteny kaomandin’ny “2ème Compagnie d’infanterie Andilamena” eo anivon’ny Bataillon d’infanterie Ambatondrazaka. Voasokajy ho faritra mena amin’ny fanakanan-dalana ataon’ireo jiolahy rahateo io RN32A io ka nanao fisafoana alina izy ireo. Vokany, nifanehatra tamin’ny olon-dratsy mpanao io asa ratsy io ny zandary tamin’ny 1 ora maraina. Lavo tamin’izany ny dahalo iray efa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny sekreteran’ny kaominina Be­maitso. Nandroba vola mitetina 14 tapitrisa Ar io dahalo io sy ny namany tamin’ny alin’ny 6 hifoha ny 7 febroary 2024 teo.

Tsiferana R.

Partager sur: