Lalambe migodàna : “Tsy maintsy vita hatramin’ ny farany”, hoy ny Filoha

Mitohy ny fanatanterahana ny fanamby natao tamin’ny vahoaka. Nidina ifotony, nijery ny fivoaran’ny asa amin’ilay lalam-be migodana ny Filohan’ny Repoblika mivady, omaly.

Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny arabe migodàna, An­ta­na­narivo – Toamasina, ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nanotrona azy tamin’izany ireo olom-panjakana sy olom-boafidy maro samihafa. Tao amin’ny fokontany Ambolo, kaominina Talata-Volonondry no natombohana izany fitsidihana ny asa izany. “Fanamby napetraka ny fanamboarana ity lalana ity fa tsy fampanantenana fotsiny. Araka ny maha fanamby azy dia tsy maintsy vita hatramin’ny farany, ary manaraka ny fenitra izany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Mihazakazaka ny fandehan’ny asa fanamboarana ny arabe migodàna Antananarivo –Toamasina, ankehitriny. Ny volana avrily teo no nanombohan’izany ary mizotra antsakany sy andavany ankehitriny. Fanotorana sy fanarenan-tany tamina lalana mirefy 31 km no vita tao anatin’izay vanim-potoana izay. Tsiahivina fa ao anatin’ny ampahany voalohany amin’ny asa, izay hanaovana ny lalana 80km, Anta­nanarivo – Anjozorobe. Anjo­zorobe- Didy, mirefy 85 km kosa ny tapany faharoa ary Didy hatrany Toamasina ny tapany fahatelo. Ny desambra 2027 no vinavinaina ho vita ity lalambe migodàna, mirefy 260 km, ity.
Anisan’ny hahazo tombony amin’ny fahavitan’ity lalana ity ny sehatry ny toekarena, ny sehatry ny fitaterana sy ny varotra ary ny fizahantany. Izany rehetra izany izay hisy akony amin’ny vidim-piainana eto Madagasikara.

Manohana ny filoha
Ankoatra ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny vovonana Irmar. Maro ireo depiote tsy miankina hita teny an-toerana, toa an-dRakotoniaina Pety, Tsaradia Marco, Rabeharison Bernardin na i Din Rotsaka. Taratry ny fanehoana ny fanarahan-dia ny fitondram-panjakana sy fanohanana ireo andry telon’ny fitondram-panjakana izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana izany ny fanatanterahana izao lalambe migodàna izao.

Lin

Partager sur: