Lalao Olympika (JO 2024) : miandry «wild card» i Sidonie

23 andro mialoha ny hanombohan’ny lalao Olym­pika, tanterahina any Paris France, mbola tsy fantatra ny ho isan’ny atleta malagasy hiatrika izany fihaonana ma­neran-tany izany. Noho ny tsy fahazoan’i Sidonie Fiadanan­tsoa ny fe-potoana farany ambany tsara indrindra tokony ho tratrarina “minima”, eo amin’ny taranja fototra atletisma, voatery miandry ny fanasana manokana “wild card” avy amin’ny mpikarakara ny tenany.
Ankoatra azy, efa nahazo izany Rabejaona Holy Antsa, eo amin’ny taranja lomano. Tsiahivina fa miofana any amin’ny ivontoerana any Russie ny tovovavy. Ny zava-bitany nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tatsy Maurice farany teo, sy ny maha laharana voalohany azy eto Madagasikara no tombony ka nahazoany ny “wild card”. Marihina fa manana isa 600 izy eo anivon’ny “world aquatics”.
Hatreto izany, atleta efatra no efa fantatra fa hisolo tena an’i Madagasikara dia i Fabio, taranja ping-pong, miampy an’i Laura, eo amin’ny judo ary i Rosina ho an’ny fibatana fonjamby, miampy an’i Holy Antsa.

Tompondaka

Partager sur: