MFF, andiany faha-19: handray anjara amin’ny hetsika i Sylvain Marc

Misy hatrany ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanaraka ny hetsika. Anisan’izany ny fandraisan’i Sylvain Marc, izay manana ny lazany eo amin’ ny mozika sy ny horonantsary maneran-tany, anjara.

Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, ny « Madagascourt Film Festival » (MFF) andiany fa­ha-19. Ny fikambanana Ren­contre du film court de Madagascar (RFC) no mikarakara ny hetsika. “Tetezamita ho amin’ny andiany faha-20 ity andiany ity. Somary ho maivana ny hetsika, araka izany. Ho hita mandritra izany hatrany nefa ny zava-baovao, izay nahafantarana ny azy ity hatramin’izay”, hoy i Laza, talen’ny RFC. Tanjon’ny MFF ny hampivelatra ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, in­drindra ny eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo vao misandratra sy ny ho sehatra hifanakalozana sy hifampizaran’ireo samy mpiangaly horonantsary, na ireo matihanina na ny vao misandratra.
Hiavaka, noho izany, ny hetsika amin’ity andiany faha-19 ity. Voalohany indrindra amin’izany ny fandraisan’anjaran’i Sylvain Marc, Malagasy mpisehatra eo amin’ny mozika sy ny horonantsary, manana ny lazany maneran-tany, izay hitarika atrikasa sy velakevitra mandritra ny MFF. Hisy koa ny velakevitra iresahana mahasika ny “Intelligence artificielle” (IA), izay efa tafiditra ao anatin’ny famokarana sy fanatontosana horonantsary, ankehitriny. Ankoatra izay, mbola ho hita mandritra izany koa ny fifaninanana samihafa, ny atrikasa isan-karazany, ny fandefasana horonantsary ary ny velakevitra maro.

Anisan’ny tsy ho hita mandritra ny hetsika kosa ny “Atelier Kino”. Eo ihany koa ny fanatontosana azy io eto Antananarivo ihany. Hiverina amin’ny endriny vaovao kosa izany amin’ny andiany faha-20. Eo ihany koa ny fanatontosana ny MFF ny volana avrily, amin’ny taona 2025, noho ny antony maro samihafa, araka ny nambaran’i Laza hatrany.

Lin

Partager sur: