Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Manana adidy goavana ny ben’ny Tanàna »

Notanterahina tany Van­gain­drano, ny alatsinainy teo, ny fihaonana tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 98 anatin’ny distrika manodidina sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny niatrika izany ireo avy any Fara­fangana, Vangaindrano, Von­drozo, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo, mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Notsiahivin’ny minisitra tamin’izany ny asa aman’andraikitr’ireo ben’ny Tanàna. « Ma­nana adidy goavana ianareo amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Anjaranay eo anivon’ny minisitera (MFFT) kosa ny manome ny tantsoroka ara-teknika », hoy izy.
Anisan’izany ny nanomezana ireo ben’ny Tanàna ny saritany faobe ahitana ny satan’ny tany rehetra amin’ireo kaominina miisa 43. Nambaran’ny minisitra tamin’izany koa fa anisan’ny ezaka hatao ny fametrahana ny « Structure locale de concertation – SLC) sy ny Drafitra fanajariana ny eny anivon’ny kaominina « Schéma d’aménagement communal – Sac ».
Noresahana ihany koa ireo dingana arahana amin’ny fanokafana ny Birao ifotony ho an’ny fananan-tany – Bif). Eo koa ny famoahana karatany na tsy manana Bif aza ireo kaominina. Nanterin’ny minisitra fa santatra am-bavarano ihany izao ary tsy misy kaominina ho hadino izany.
Nitohy tamin’ny fihaonan’ny minisitra tamin’ireo tomponandraiki-panjakana tany an-toerana izao fidinana ifotony tany Atsimo Atsinanana izao.

Synèse R.

Partager sur: