“Moozik” : hoavin’ny tsenan’ny mozika malagasy

Mandeha tsikelikely eo ny fahazarana… Fa efa azo hanjifana ny hira malagasy ny rindram-baiko Moozik, ary natao ho takatry ny Malagasy ny sarany. Misokatra ny lalana ho an’ny tsenan’ny mozika eto an-toerana.

Spotify, Deezer, Apple Music, sns. Rindram-baiko malaza maneran-tany, fanjifana ny mozika amin’ny alalan’ny internet ireo. Tsy latsa-danja amin’ireny ny Moozik, aoriana kely. Rin­dram-baiko novokarina Mala­gasy teknisianina, natao hanjifana ny mozika malagasy ary mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy izy ity. Efa nisy ny fampahafantarana voalohany nataon’ny orinasa Manoova, izay niketrika azy, ny volana desambra lasa teo.
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo kosa, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny “Moozik”. “Natao hanamora ny fanjifana ny mozika malagasy, manaraka ny filana amin’izao izy ity. Hira malagasy maherin’ny 40 000 no efa azo jifaina ao”, hoy ny nambaran-dRajaonarivelo Rajo, tomponandraikitra ao amin’ny orinasa Manoova.
Hisahana ny tan-tsoroka amin’ny internet ny Telma, satria izay no fototry ny fanjifana hira ana habaka. Natao hifanaraka amin’ny filana sy ny fahefa-mividin’ny mpanjifa eto Madagasikara rahateo ny tolotra, mba tsy ho sakana amin’ny fiparitahan’ny mozika malagasy ny tsy fahatakarana ny saran’ny internet. Araka izany, misy ireo tolotra izay manomboka amin’ny 500 Ar ahafahana misitrika hira ao aminn’ny Moozik.
Manampy betsaka amin’ny ady amin’ny piraty ity rindram-baiko ity. Ankoatra izay, hampidi-bola misimisy kokoa ho an’ireo mpanakanto ihany koa izany. Arakaraka ny fahamaroan’ny hira misy mihaino ny vola ho azon’ny mpanakanto, ary ivelan’ny zon’ny mpamorona izay efa sitrahany izany. Nambaran’ny avy ao amin’ny Manoova ihany koa fa lasa mpampidi-bola voalohany amin’ny OMDA izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: